Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 28 août 2026
Antananarivo | 02h28
 

Malagasy

Korontana niseho tao ho ao

« Sao mandrora mitsilany », hoy ny MFM

mardi 9 septembre 2008 |  1113 visites 

Mametraka ahiahy momba ny tranga niseho tao ho ao ny MFM. Ny antony, dia atomotra ilay fandraisantsika ilay fivoriana an-tampony hatao eto Madagasikara ny vola Jolay 2009 ho avy izao. Ny korontana eto anefa dia miseho ihany. Ny mpanohitra mitarika olona hidina andàlam-be, ny mpitondra kosa tsy mitsahatra ny mampiditra am-ponja ny tsy mitovy hevitra aminy.

Mandrora mitsilany isika, satria ny vola tokony ho nanaovana asa sosialy efa natobaka nanaovana ireo fotodrafitr’asa. Ny fivoriana anefa tsy ho raikitra, ka hiteraka sazy ho an-tsika izany. "Tokony hisy ny fifampihaonana eto mba hialàna amin’ny mety ho fihoaram-pefy" , hoy ingahy Rakotovazaha Olivier, mpikambana ao amin’ny birao Politikan’ny antoko MFM.