Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 9 avril 2026
Antananarivo | 14h14
 

Répondre à un commentaire

9 avril à 09:21 | Vohitra (#7654)

Ravao any ny HCC, CENI, Assemblée Nationale.

Atsangano ny Assemblée Constituante.

Ahantony ny lalampanorenana Repobilika fahefatra.

Apetraka ny tondrozotra mifototra tanteraka amin’ny fanorenana ifotony.

Ahenao ny mpikambana anaty goverinemanta sy ny fandaniana vola ataon’ny fanjakana.

TSY tokony hisy mpanao politika sy kandida hilatsaka hofidiana ao anatin’ny rafitra tetezamita.

Ny fikaonandoham-pirenena dia miainga any amin’ny Fokonolona, ary ny ventin-kevitra isaky ny Fokonolona no avondrona eny anivon’ny Kaominina.

Ny fikaonandoham-pirenena dia mitondra any amin’ny volavolan-dalampanorenana vaovao.

Ny tetika fampandrosoana sy vina politika dia tsy ao anatin’ny fikaonandoham-pirenena no dinihina. Anjaran’ny kandida sy ny antoko politika no manao izany.

Ny tanjona amin’ny fikaonandoham-pirenena dia :

* Ho fiantohana fifidianana madio sy malalaka anaty mangarahara.

* Ho fametrahana rafi-panjakana sy rafi-piarahamonina mifantoka amin’ny tombontsoa iombonana.

* Ho fiantohana ny fitsinjarana ny fahefana sy ny fandraisan’ny Faritra tsirairay ny fanapahankevitra amin’ny fampandrosoana sy fampivoarana ny fiainam-bahoaka.

* Tsy hisian’ny fandrombahana ny fanjakana sy ny fahefam-panjakana ho amin’ny tombontsoa manokana intsony.

Izay no fanorenana ifotony raha fehezina.

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}